Sunday 10 July 2022

NY BOKIN-TONONKALOKO ZARAIKO AMINAO3

Rakotra nidramina tao amin'ny photo-libre.frTaona vitsivitsy izay no nizarako ny tononkaloko tao amin'ny vetso serasera, ary koa tao amin'ny Page facebook Harylovah tononkalo Malagasy. Faniriako ny hizara azy ireny ho antsika rehetra. Indro atolotro anao àry ny tononkaloko sasany izay voangona mba ho tahiry hiara-miaina aminao. Nosokajiako ho fizarana efatra izy io izay ahitana tononkalo 100 eo ho eo. Miresaka amin'ny fomba tsotra ny fiainana, finoana, fanantenana, ary ny fitiavana.Teo am-panoratana ireo tononkalo aho, dia tsy nanantena loatra hoe, mba hisy hankafy ireo soratra kely nataoko. Noho ny fisian'ny serasera toy itony anefa dia tsapako indray, fa azo atao ihany ny mizara izay kely ananana, rehefa somary mba mikaroka kely. Eto dia ambarako, fa mbola ho sarotra ho ahy ny hamoaka boky amin'ny endriny mahazatra noho ny tsy fahampian'ny ho enti-manana, noho izany dia natambatro anaty boky endrika elektonika izy ireo, mba ho azon'ny rehetra alaina sy vakiana maimaim-poana, na aiza na aiza misy azy, ary amin'ny fotoana rehetra. Tiako ny manamarika, fa tsy dia havanana loatra momba ny lafiny informatika ny tena , ka ialana tsiny amin'izay tsy fahatomombanana sasany mety hiseho eny ho eny. Indro àry zaraiko aminao ny Bokin-tononkaloko voalohany amin'ny endrika elekronika  [Pdf - epub- jar- mobi ] Safidio izay mety aminao. Mety hisy fanazavana ihany ao aoriana kely ao momba ny fampiasana azy io ho an'izay tsy mbola namaky boky toy izany. Marihana fa tsotsotra ihany ny fomba nanaovana azy, fa ny hevitra fonosina no heverina fa zava-dehibe. Isaorako manokana ny mpikarakara ny blaogy toy izao, fa tosika ho an'ny fifanampiana tsy miandry valiny toy izany no heverina fa ilain'ny tontolon'ny olombelona eo an'ivon'izao tontolo izao mihasahirana. Mankasitraka indrindra anareo rehetra !


Tsindrio ny rohy eto ambany raha handika azy ianao :

TEBOKA IRAY- Harylovah [Pdf 480ko ]

TEBOKA IRAY- Harylovah [Epub 167ko]

TEBOKA IRAY- Harylovah [Mobi 168ko]

TEBOKA IRAY- Harylovah [Java - Jar 98ko]

Arakaraka izay mahazatra anao sy ny application ampiasaino no isafidianana azy ireo. Mety tsy hiasa noho ny antony mbola tsy fantatra ireo rohy ireo, ka ialana tsiny raha misy tsy fetezana any aoriana any.

Ny sary code Qr eto ambany dia azo tsindriana raha haka azy ihany koa , ary mba zarao na apetraho amin'ny toerana mety mba ahafahan'izay manana fitaovana maka azy mora foana.

Mankasitraka anao sahady noho ny fitsidihanao ity Blaogy ity.

- Harylovah 

Code qr - Pdf qr code mobi

code qr epubqr code jar                                                  


 

 

 

 


REHEFA NY...FITIAVANA0

Rehefa ny finoana

no vahatra ifaharan'ny saina mbola miady

Na inona midona

Mizotra tsy mba ketraka ny fon'izay mitady

 

Rehefa ny antenaina

no fatotra mamatotra ny zotonao mikiry

'Zay zavatra ilaina

dia ho azonao trandrahana na firy io na firy

 

Rehefa ny fitiavana

no tosika manosika amin'zay atao rehetra

dia n'inona finiavana

dia hody fandresena satria tsy manam-petra.

 

Harylovah[ 2013] Tononkalo avy ato.

1Korintianina16:14   


Harylovah tononkalo Malagasy1

Miarahaba anao nitsidika ity blaogy ity. Eto no izarako aminao ny fanehoan-kevitra tsotsotra tiako hambara amin'ny alalan'ny tononkalo. Mankasitraka anao sahady amin'ny fanohananao.


Copyright © 2005 Kalobook - Harylovah tononkalo Malagasy - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS